Miarahaba antsika rehetra ary manasa anareo hamaky sy hanamparitaka ity vaovao ity.
Mampalahelo ny zava-misy hiainan-tsika fa dia ny antenain-kananatra indray ny mamoa-tsampona.
Amin'izao fotoana izao dia miharihary ny fanaperam-pahefana ayaon'ny olona ambony amin'ny fanjakana fa dia sahy manao sy mampanao kolikoly ny olona.
Andriamatoa izay minisitra sy zanak'i Dada dia mampanao extention de permis de conduire ao amin'ny centre d'immatriculation Toamasina ka miray tendro sy iray petsapetsa aminy amin'izany:ny Chef de centre d'immatriculation Toamasina izay iray fihaviana aminy any Ste Marie, ny auto-ecole,examinateur ary ny represantant ATT Toamasina.
Tsy takona afenina ny gaboraraka amin'io permis de conduire io raha ny eto Toamasina fa dia zaraina fotsiny tahaka ny anana ka tsy manana ny hasiny amin'ny maha fanadinana azy intsony ny fazahoana izany.Poizina ary loza ho an'ny firenena izao tranga-javatra izao satria dia olona tsy miatrika fanadinana no mitondra fiara sy ny ain'olona ao anatiny eny amin'ny lalana ka tsy mahagaga ra tsy mitsaha-mitombo ny lozam-piarakodia. Maro ny tsy miatrika ny fanadinana nefa dia afaka ary mahazo ny permis ara-dalana. Ar 50.000 dia efa ahafahana manao izany permis izany.
Aiza mba andraikitry ny bianco amin'izany.